« Hasambarana sy hafaliana ho antsika rehetra ! », izay ny firariantsoa omen'i Frera Dieudonné Stéphane, sdb, misionera any Guatemala, amin'izao fanombohan'ny taona 2020. "Manantena aho fa tsara fanombohana ho anareo rehetra ity taona ity". Zarainy amintsika eto àry ireo zava-nitranga mahafinaritra niainan'izy ireo.

Tamin-kafaliana sy amim-parahalahiana no nandraisana sy nankalazanay ny taona vaovao tany amin'ny ankohonam-piainainana nisy anay avy. Efa manomboka tsara ny taona ny vaovao. Samy nahazo ny tetiandrony ny sampan'asa tsirairay. Nisy ihany koa rahalahy nandao ity tany ity, hihazo ny paradisa.

Voaravaka hetsika samihafa ny volana janoary satria volan'ny fety ho antsika salezianin'i Don Bosco. Nomarihana tamin'ny fialamboly sy fanatanjahan-tena ny tapakandro tamin'ny fetin'ny olomasina mpiaro antsika, François de Sales. Hetsika notanterahina tao amin'ny ankohonam-piainan'ireo mpandalina teolojia, izay nandraisan'ny ankohonam-piainana rehetra anjara:  "Pré-noviciat", "Post-noviciat", "Théologat", "Cresco", "stagiaires". Nankalazaina manetriketrika amim-pahamendrehana ihany koa ny fetin'i Md Don Bosco, mpanorina sy raintsika. Maro ny hetsika nokarakarain'ireo sampan'asa sy sehatra isaky ny ankohonam-piainana: kolejy Don Bosco, paroasy, oratorio.  nandray anajara avokoa ny rehetra tamin'ireo hetsika ireo.

Eo am-pianadrasana ny vaovao manaraka, , "mirary taona 2020 mahafinaritra ho ampoky ny fahasambarana" ho anareo rehetra.

Miombom-bavaka.

Coadjuteur DIEUDONNE Bruno Stéphane, SDB

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...