Niomana ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy tao an-tranon'ny raiaman-dreniny ny lehilahy sy ny vehivavy vao nanapa-kevitra hanorin-tokantrano. Hanangana fianakaviana izy ireo ka tonga : ray, reny. Mila manana tanjona eo amin'ny fifandraisana, amin'ny fanabeazana ny zanany. Miara-manangana ny filan-kevi-pianakaviana izy rehetra ao mba hanomezana sehatra ny zanaka, mianatra manetry tena ny lehibe.
Ny Pape François dia mitodika manokana amin'ireo sokajin'olona misahana raharaham-pitsarana. Ny asan'ny mpitsara hoy izy dia tokony ho vonton'ny fiheverana tsotra izao fa isaky ny mamaha olana amin'ny alalan'ireo lalàna maro izy ireny dia manome ho an'ny mahantra ny tena zava-dehibe ilainy. Omeo ny mahantra ny anjarany izay azy. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Namoaka fanambarana androany ny firaisamonim-pirenena Rohy, manoloana ny fisondrotry ny vidin-tsolika. Nilaza izy ireo fa tsy mitsinjo ny fahasarotam-piainan'ny Malagasy, ary tsy voahevitra tsara ny fampiakaran'ny fanjakana ny vidin-tsolika... ♦ Tsy hisy, na tsena iray aza, hoesorina ao amin'ny "Petite vitesse", amin'ny fanamboarana ny "téléphérique", eny Soarano, hoy ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana, androany. Nanitsy ny feo mandeha izy, mikasika ity tetikasan'ny Filoham-pirenena ity...
Ny nofinofy hanana tanjona sy dingana eo amin'ny fiainana no manala ny sakana anaty rehetra. Tsy tokony ho ny safidin'ny raiaman-dreny no hamaritra ny fiofanana na asa hataon'ny tanora fa izay nofinofiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Desiré Ramakavelo.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco