♦ Tsy tokony hiroso amin'ny fanambadiana raha mbola tsy nahavita ny fifampizahan-toetra, izay dingam-piainana mankany amin'ny maha olon-dehibe. Iaino ny dingam-piainana ankehitriny fa homano ny ho avy... ♦ Vitsy ny mpiasan'ny fahasalamana mazoto hiasa any ambanivohitra noho ny tsy fahampian'ireo foto-drafitr'asa ara-tsosialy ilainy ka izay no antony mandrisika ny olona hanao dokotera tena ; ohatra ny sekoly hampianaran'izy ireo ny zanany na ny resaka herinaratra... ♦ Ho fitsinjovana ny fahasalamana dia tokony handanjalanja ny zavatra hampidirina am-bava ny olona indrindra ireo nandalo teny amin'ny mpitsabo nentim-paharazana ; tsara kokoa ny manao fitiliana eny amin'ny mpitsabo matihanina.... Fandaharana "Ampela Miary".
Alarobia 25 mey 2022 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 12-15
♦ Tanterahaha any Akkra, renivohitr'i Ghana, ny fivoriam-be isan-taonan'ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana. Fifanaraham-piaraha-miasa telo no nosoniavina teo amin'ny Governemanta Malagasy sy ny BAD... ♦ Ampy ny fitaovana enti-miasa amin'ny ady atao amin'ny valala, eto Madagasikara. Miasa andro aman'alina ny teknisianina amin'ny famonoana ny valala... ♦ Hihemotra ho amin'ny 28 jona indray ny fotoam-pitsarana an-dRamatoa Raharinirina Clémence. Tsy mbola nahatonga solontena teny amin'ny Fitsarana indray androany, ny Fanjakana...
Ny ohabolana dia andiam-pehezan-teny fampiasan'ny Malagasy amin'ny sehatra maro, mandritra ny fandraisam-pitenena na fifampiresahana. Ny ohabolana dia andiam-pehezan-teny roa na telo, mifampiankina amin'ny lafiny maro, mety ho arak'endrika, ara-kevitra, marihina anefa fa misy fanoharana, mitory fananarana, fihavanana, na toe-java-misy eo amin'ny fiaraha-monina. Raha hamorina izany dia tokony hanaja ireo voalaza ireo ary atao mazava hoe "Mivohy inona"...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco