♦ Tsy ilaina intsony ny fahatongavan'ireo iraky ny SADC eto Madagasikara, hoy ny eo anivon'ny ARFM. Misokatra amin'ny fifampiresahana amin'ireo ankolafin-kery eto amin'ny firenana ireo iraka ireo, nanomboka androany... ♦ Manaporofo ny tsy fahaleovan-tenan'ny CENI sy ny HCC ny fahanginan'ireo andrim-panjakana ireo, amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao, hoy ny VHT... ♦ Tsy miova fa mizara ho roa volana in-dimy ihany ny taom-pianarana vaovao 2024-2025. Namoaka ireo tetiandro mirakitra izany, mbamin'ny datin'ny fanadinam-panjakana iandraiketany ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany...
Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024, zo sy adidy ny mifidy. Raha olom-pirenena manana kara-panondro ianao dia mandehana manatanteraka ny adidy sy andraikitra amin'ny fampandehanana ny firenentsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny reny sy ny andraikiny, momba ny fanabeazana, manoloana ny zava-misy ankehitriny dia miatrika fanamby lehibe ary miteraka fahasahiranana. Ny fidangan'ny vidim-piainana, ny fipariahan'ny zava-mahadomelina, ny herisetra toy ny fanolanana, ny fisian'ny kolikoly amin'ny sehatra rehetra dia isan'ireo mahasarotra ny andraikitra momba ny fanabeazana iantsorohan'ny reny. Ny tosikin'ny teknôlojia sy ny fiovan'ny toetr'andro dia misy akony amin'ny fanabeazana ihany koa. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
22 mey 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-39)
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco