Ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara dia mandray anjara amin’ny fanentanana ny olona mba hanjakan’ny fandriam-pahalemana ny vanim-potoana hiomanana sy hanatanterahana ny fifidianana eto amin’ny nosy. Fomba iray hanatanterahana izany ny hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana sy filaminana amin’ny 24 septembra eto Antananarivo hanasana ny olom-pirenana sy ny tia fandriam-pahalemana rehetra. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Miteraka olana eo amin'ny vatana ny tsy fananana asa satria rehefa noana ny vatana dia mivezivezy ny fanahy. Mahatonga henatra ho an'ny olona iray ny tsy fananana asa, eo amin'ny fiaraha-monina. Ny tsy fananana asa dia antony mampitombo ny tsy fahandriam-pahalemana, sy ny herisetra satria betsaka ireo te hahazo vola haingana. Mety hanova ny fitondran-tena ny tsy fananana asa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Kandidà roa tamin'ireo 28 nanatitra taratasy firotsahan-ko fidiana teny amin'ny HCC, no nitsoaka an-daharana hatramin'ny androany. Anisan'ireny ny Solombavam-bahoaka Masy Goulamaly... ♦ Hiroso amin'ny fampiasana ny teknôlôjia vaovao ny Fadintseranana, amin'ny fikirakirana taratasy momba ny fiarakodia hampidirina eto amintsika... ♦ Mbola mandringa ny lalàna eto amintsika, hanenjehana ireo mpanao herisetra ara-nofo eny anivon'ny sekoly sy ny Anjerimanontolo. Manao adisisika hanatsarana izany ny ONG Tolontsoa...
Ireo dingana efa nolalovan'ny fandaharana "mba ho vanona" : Ny ambaratonga voalohany dia ny fitiavana ; ankehitriny dia eo amin'ny ambaratonga faharoa isika izao, dia ny firesahana ny safidy, ity farany dia harena nomen'Andriamanitra ny olombelona. Ny olona tompon'andrikitra dia olona manana vina sy tanjona, isan'ambaratongany... Fandaharana "mba ho vanona" iaraha-miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco