Novoizina nandritra ny taona maro teto Madagasikara ny zezika kankana. Zezika ahazoana vokatra ara-biolojia eo amin'ny fambolena. Isan'ny mampiasa io zezika io ny fikambanana Lanja Miakatra. Nizara fahalalana sy ny traik'efa momba izany ny mpanorina ny fikambanana Ranaivoarison Basile, Papa Bio.
Hanatsarana ny fambolena dia hatao ny fomba rehetra mba hitahirizana ny rano ela indrindra na hanangonana betsaka amin'ny alalan'ny lava voakarakara manokana. Ny fomba hikarakaràna ny lavaka : manao lavaka lehibe sy lalina, mampiasa labasy na sachet matevina, na mandalotra ilay lavaka mba tsy hisy rano hifantsitritra any ivelany, asiana fasika ny lavaka hanampy amin'ny fitahirizana. Azo atao koa ny manao lavaka toy ny volan-tsinana eo anelanelan'ny tanimboly mba hitanana ny hamandoana. Ny zezika kankana no azo antoka fa hampiakatra ny tahan'ny vokatra amin'ny voly vary, ary miezaka mampihatra ireo teknika vaovao. Tokony hanao ezaka hanao voly rakotra ny tantsaha...
Ny fahitantsika an'i Jesoa dia midika fa tahaka Azy Andriamanitra na tsy mbola niseho tamin'ny tena endriny azy. Any amin'ny Testamenta Taloha dia amin'ny alalan'ny zavaboahary no nisehoan'Andriamanitra fa aty amin'ny Testamenta Vaovao dia io Jesoa nomena antsika io no manambara Azy Ray. Ny naneken'i Jesoa natao Batemy dia mba hantanteraka ny fandaharan'Andriamanitra momba Azy sy ny momba antsika. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
♦ Nahemotra ny fampakarana fampanoavana, ireo mianadahy mpitarika ny Transparency International Initiative Madagascar, raha tokony ho androany... ♦ Hivaly rahampitso tolakandro ilay tombana natao tamin'ireo Tale ambony eo anivon'ny orinasa Jirama. Nanazava ny momba izany sy ilay fanakianan'ireo sendikan'ny mpiasa azy amin'io resaka io, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran'afo, androany... ♦ Harom-paosy amin'ny fomba mihaja no handikan'ny antoko Otrikafo ilay fampakarana ny hetran-trano ataon'ny Kaominina Antananarivo amin'izao...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco