Ny fahefana anaty dia ahitana ireto : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Ny sakana anaty dia hatarafana ireto : ny fialonana, ny fanaratsiana ary ny fiandaniana. Ny safidy dia anao : na ny fahefana anaty no iainana na ny sakana anaty. Fandaharana "mba ho vanonoa" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny sora-tanana dia misy lanjany eo amin'ny fampitàna fahalalana ankehitriny. Na miroborobo aza ny teknôlôjia dia mbola misy lanjany ny sora-tanana. Ny soratra dia fitaovana hifaneraseràna maharitra sy azo tehirizina. Ny sora-tanana dia mampiseho ny maha-izy azy ny olona iray, ahafahana mamantatra ny toetrany ihany koa. Misy fiatraikany mivantana amin'ny mpamaky ny soratra iray. Ny mpampianatra dia tokony ho filamatra amin'ny lafiny ara-tsoratra. Ny mpampianatra ratsy soratra dia mety hatonga ny ankizy ho sahirana amin'ny fianarana ataony, ary mety hatonga azy ho kamo. Ny soratra tsara sy milamina eny amin'ny solaitrabe dia manampy ny ankizy hifantoka sy manampy azy haazo kokoa ny lesona.
Alarobia 16 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 11-28
♦ Hanadihady momba ilay teo-draharaha nitranga tany Ikongo ny 29 aogositra 2022, ny Solombavam-bahoaka. Nolaniana androany ny tolo-pehin-kevitra momba ny fananganana ny vaomiera hisahana izany... ♦ Tsy maintsy hamafisina, hoy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny fizakan-tenan'ireo Kaominina sy ny Faritra eto Madagasikara, na amin'ny ara-bola izany na amin'ny fitantanana... ♦ Nanomboka androany ny taom-panondranana lavanila 2022-2023, araka ny tapaka tamin'ny Filankevitry ny Minisitra, niainga tamin'ny tolo-kevitry ny Filankevi-pirenen'ny lavanila...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco