Mizotra mian-dalana ny fanarenana ny diosezin'i Mananjary taorian'ny fandalovan'ireo rivo-doza nifanesy tamin'ny fiatombohan'ny taona 2022. Laharam-pahamehana ho an'ny Eglizy ao Mananjary ankehitriny ny famerenana amin'ny laoniny ny foto-drafitrasa sy ny fiatrehana ny pastoraly sosialy, hiatrehana ireo olana ara-tsosialy vokatr'io rivo-doza io.Fiainan'ny Eglizy katolika ao Mananjary miaraka amin'ny Radio Aina.
Alahady 16 ôktôbra 2022 — Alahady Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 1-8
Ny Bibaka an-tenda na "goître" dia fivontosana amin'ny faritry ny tenda izay fivontosan'ny tiroida. Io tranga io dia mety ho toe-javatra mihelina tsy ilàna fitsaboana, na mety ho fambara amin'ny olana hafa mikasika ny tiroida, mety ho lehibe ka ilàna fandidiana. Ny bibaka an-tenda dia vokatry ny tsy fahampian'ny "iode" na efa tarazo, mety ho vokatry ny fifohana sigara, na raritsaina be loatra... Ny hôrmônina vokarin'ny taova tiroida dia ilaina amin'ny fiasan'ny : fo, atidoha, hozatra, taovam-pandevonan-kanina... Fambara : taitaitra, kizitina, mikorontana ny torimaso, mangovitra ny tanana, misakafo tsara fa mihamahia, midobodoboka be ny fo, tsemboka lava, manana olana @ taovam-pisefoana...
♦ Hanatanteraka ny visite Ad Limina apostolorum any Rôma ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny 21 hatramin'ny 29 ôktôbra 2022... ♦ Tontosa ny 12 ôktôbra 2022 ny fanokafana ny taom-pianarana 2022-2023 ho an'ny Sekoly Katôlika manerana ny Distrikan'i Betafo Antsirabe... ♦ Mankalaza ny faha-100 taona ny gazety-boky "Monde et Mission"...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco