Alarobia 1 jona 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 11b-19
♦ Nihatrika ny CEPE Katôlika androany, ireo mpianatra avy amin'ny sekoly katôlika rehetra hihatrika ny fanadinana CEPE amin'ny volana jona ho avy izao. Afaka nanao ny fanadinana avokoa ny diôsezy manerana ny nosy... ♦ Nanatrika ny famelabelaran-kevitra sy ny fampirantiana momba ireo teknôlôjia ara-toekarena nomerika, atao any Emirats Arabes Unis ny Filoha Malagasy ny antoandro teo. Nambarany fa nisafidy ny hiara-miasa amin'ny Federasiôna Arabo ho an'ny toe-karena nomerika i Madagasikara, ho fanatanterahana ny fiovana nomerika...
Ny angano dia lahabolana malagasy ambava. Ny angano dia manana ny mampiavaka azy eo amin'ny : Voalohany ny endriny ivelany ahitana ilay fanombohana "Indray andro hono ... Fahiny ela be hono... Fahagolan-tany hono... ; faharoa ny mitatitra trangan-javatra ; fahatelo ahitana mpandray anjara lasitra : mahery fo, mpanampu, mpanohatra... ; fahaefatra ny fisian'ny zava-mahagaga ao aminy ; fahadimy fihafaran'ny toe-javatra ka ny ratsy fanahy tsy maintsy voasazy na voahitsy ary ny tsara fanahy mahazo valisoa. Ny angano dia tsy fitantara amin'ny andro maraina na antoandro fa amin'ny hariva alohan'ny ora fisakafoana. Ny arira dia angano misy fototra, azo antokoa ho marina tany am-boalohany fa efa niova be ihany ka tsy azo inoana araka ny tarehy isehoany ankehitriny.
Ny firaisam-batan'ny mpivady dia tsy biolojika fotsiny fa misy lafiny ara-panahy. Ireo nahazo ny tso-drano avy amin'Andriamanitra no manana adidy sy andraikitra hanohy ny asa fahariana. Manana ny andraikitra feno ny rehetra amin'ny fitandrovana ny aina : ny olona tsirairay, ny vaomieran'asa... Hoy Jesoa manoloana ny fanalan-jaza: izay ataonareo amin'ireny madinika ireny dia amiko no anaovanareo azy. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco