Ny fanabeazana fototra maha-olona feno ny tanora no antoky ny taranaka sambatra. Ilaina ny fifampiresahana sy fizarana ny soatoavina mba hananany herim-po afa-manohitra ireo sakana manohintohina ny fivelarany, ary koa hananany toe-tsaina mandanjalanja ho amin'ny tsara.
Antsoin'Andriamanitra hadio ny relijiozy, noho ny fanarahan-dia an'i Kristy. Fanahafana an'i Kristy nisafidy ny hadio no antony iainan'ny relijiozy ny voadin'ny fahadiovana. Hoy ny voalaza ao amin'ny Matio 19, 12 : ary misy olona tsy manam-bady an-tsitrapo noho ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
♦ Tsy avela hitoka-monina intsony ny Distrikan'i Marolambo, fa tsy maintsy hampandrosina amin'izay, hoy ny Filohan'ny Repoblika androany... ♦ Samy nandrava ny Faritra Ihorombe avokoa na ny rivodoza Batsirai na i Emnati ka nampitondra takaitra ireo Distrika telo mandrafitra azy... ♦ Nifarana androany ny fivoriana iraisam-pirenena nifanakalozan-kevitra ny hanaovana asa mivaingana, hikendrena ny hamerenana amin'ny laoniny ny lafiny maha olona maneran-tany, ao aorian'ny valan'aretina Covid-19...
Manimba ny fahasalamana ary mety hafaty mihitsy ny fanaovana dokotera-tena. Ny tanjona dia ny fahasalaman'ny vatana sy ny fanahy. Ny fahalalana fototra dia singa hitazaina ny fahasalamana. Ny voa dia taova saropady ary tsy tokony hanaovana dokotera-tena, izay manadio ny ra. Mila misotro rano ara-pahasalamana isika mba hanampy ny voa amin'ny asany. Ny fanaovana dokotera-tena dia mety hiteraka tsy fahalavorariana ara-pahasalamana maro. Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco