Anjara toeran'ny mpanabe eo amin'ny fandanjalanjana ny antso : Mitaratra ny fiainam-panahy, fiaraha-monina, fahalalana ary fahasalamana. Tombanana mba hirindra tsara ireo. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Mahatsapa tsindry ataon'ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalana amin'ny asam-pitsarana ireo mpitsara. Nasongadin'ny Filoha vaovaon'ny Sendikan'ny Mpitsara izany, nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Filoha teo aloha, androany... ♦ Mimenomenona ny Sendikan'ny Polisy, SEFPONAM, manoloana ny nampiasana ireo Polisy sasany hanala tsikafona sy nisokitra tatatra tao an-drenivohitra, farany teo. Nilaza ho naharay fitarainana maro avy amin'ny Polisy nandray anjara tamin'izany ity sendika ity...
♦ Nohamafisin'ny Filoham-pirenena fa hanampy ireo tra-boina rehetra ny fitondram-panjakana. Nijery ny zava-misy teny amin'ny Distrik'Antananarivo Atsimondrano izy androany... ♦ Ampy mandritra ny tapa-bolana mahery ny tahirin-tsolika etyo an-drenivohitra sy manerana ny nosy. Nanazava ny tsara ho fantatra momba izany ny Tale Jeneralin'ny OMH... ♦ Nodimandry androany i Maître Willy Razafinjatovo na i Maître Olala...
Mitombo ny vita batemy noho izany ilaina hatrany ny fitombon'ny isan'ny pretra. Miankina amin'ny tombana ataon'ny mpanabe rehefa vita ny adina samihafa, misy fandanjalanjana mifandraika amin'ireo fepetra takiana. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco