Alarobia 4 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 21-28
♦ Nanomboka androany ny fivoriana tsy ara-potoana faharoan'ny Andrim-panjakana mpanao lalana eto Madagasikara. Lahadinika miisa dimy no voafaritra anatin'ny fivoriana, isan'izany ny fandaniana ny volavolan-dalana mifehy ny famatsiam-vola sivifolo sy efajato tapitrisa dolara, avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena... ♦ Hitombo avo roa heny ny mpanjifan'ny orinasa JIRAMA ao anatin'ny dimy taona. Ny mpanjifa izay velon-taraina indray manoloana ny fidangan'ny faktioran'izy ireo tato ho ato...
Mitana anjara toerana goavana amin'ny fiainan'ny tanora ihany koa ny fikatsahana fahasambarana, voajanahary izany. Andriamanitra nahary ny olona hisaina ary nanome azy ny fahamendrehana. Tiako hoy ny Pape Fransoa, raha ny tsirairay avy no mikatsaka io hasambarana io, dia ny hasambarana maharitra mandrakizay. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
♦ Tovovavy fito no nanonona ny voady voalohany tao amin'ny Fikambanan'ny Masera Fo Madion'i Maria avy ao Diégo-Suarez, tao amin'ny Diôsezin'Antsiranana... ♦ Nanofana ireo ekipa fototra any amin'ny Diôsezin'Ambaja ny Ekipa Nasionaly FIFAKRI... ♦ Noraisin'ny Diosezin'Ambatondrazaka ny 1 aogositra 2021 i Mgr Gabriel Randrianantenaina...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco