Lesoka lehibe ho an'ny fivoaran'ny famokarana eny ambanivohitra ny tsy fahampian'ny teknisiana manoro lalana azy ireo momba ny haitaom-pamokarana. Antony nahatonga ny fikambanana Lanja Miakatra manofana ireo tantsaha any amin'ny faritra misy azy ireo.
Ny fifandraisan'ny mpiray tampo efa samy manana tokantrano dia manana endrika hafa. Tsy mitovy amin'ny fifandraisan'ny iray tampo tamin'ny mbola teo amin'ny tranon-draiamandreny ny fifandraisan'izy ireo rehefa samy manana ny tokantranony. Tokony tsy ho adinoina anefa ireo soatoavina sy fanabeazana azo tamin'ny ray aman-dreny mba hitohizan'ny fifankatiavana hatrany...
Ny tanora no manana ny hery rehetra ahafahana manao zavatra araka ny fahalalana ananany. Tsy misaraka ny fahaiza-miaina sy ny fahaiza-manao ka izay no hisarihana ny sain'ny tanora, na manana fahafahana aza dia tsy tokony hirehareha. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
♦ Nihaona mivantana teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, androany, ny Filoham-pirenena sy ny Kardinaly Désiré Tsarahazana. Fihaonana, manoloana ny raharaham-pirenena tato ho ato... ♦ Hiaraka amin'ny an'ny fanjakana ny taom-pidiran'ny sekoly katôlika, amin'ny taom-pianarana ho avy io. Ny voalohan'ny volana septambra izao ny fidiran'ny sekoly katôlika manerana ny Nosy...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco