06 marsa — I Masimbavy Colette dia teraka tao Corbie tamin'ny taona 1381. Nodimandry tao Gand Belgique izy ny 06 marsa 1447. Io vanim-potoana niainan'i Colette io dia nomarihin'ny fisarahana teo amin'ny Fiangonana, izany hoe ny taona 1387 ka hatramin'ny taona 1417. Io ilay antsoina hoe "Grand Schisme". Nisy mantsy ny fifandonan'ireo papa telo tamin'izany: ny iray tao Roma, ny faharoa tany Avignon ary fahatelo tany Pise.
Ny fampandrosoana dia mivelatra amin'ny sehatra maro, miainga amin'ny tsirairay, ny faritra, ny firenena. Ireo fototry ny fampandrosoana afahana mivoatra : ara-batana (hery sy fahasalamana), ara-tsaina, ara-po. Manana zo hiato kely hanao jeri-todika, handinika ny tokony hatao ho fampandrosoana ny tena sy ny ankohonana. Ny vehivavy dia afaka mitarika amin'ny fampandrosoana sy efa zatra mindrindra asa... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
5 marsa 2025 — Alarobia fanosorana Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)
• Nankalazaina androany teny amin'ny UCM Ambatoroka ny Andro natokana ho an'ny Ivon-toerana sy Sekoly Fampianarana Ambony Katolika, na ny Journée ESS CATHO, andiany faha-4... • Manodidina ny 40%-n'ny ankizy eo anelanelan'ny 15 hatramin'ny 19 taona nanaovana fanadihadiana, izay mampiasa ny Internet, no efa niharan'ny fanararaotana mamoafady amin'ny alalan'ity teknolojia ity... • Niavaka ny nanamarihan'i Madagasikara ny andron'ny omaly 3 marsa, izay Andro Afrikana ho an'ny Tontolo Iainana...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco