Adidy ifarimbonan’ny Lahika sy ny Pretra, izay samy eo ambany fiahian’ny Eveka, ny fitondrana ny Vahoakan’Andriamanitra isaky ny Paroasy sy ny Distrika, izay mivondrona ho Diosezy. Koa rariny sy hitsiny raha takina amin’ireo Pretra tompom-paritany sy ny Curé rehetra ny atao hoe fahaiza-mitondra ny Kristianina izay iadidiany na ankinina aminy, sy ny fahaiza-mitantana ny fananan’ny Fiangonana.
Alahady 30 ôktôbra 2022 — Alahady Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 1-10
Ny pesta dia aretin'ny voalavo mifindra amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny kaikitry ny parasy, na amin'ny alalan'ny piti-droran'ireo olona mararin'ny pesta, na amin'ny alalan'ny fikirakirana ireo biby mitondra ny aretina na mararin'ny pesta. Ny vanim-potoana mampirongatra ny pesta dia eo anelanelan'ny volana avrily hatramin'ny desambra anefa mety hitranga mandavan-taona ihany. Ny pesta atoditarimo dia mihombo ao anatin'ny 1 hatramin'ny 7 andro, ny pesta areti-tratra dia mety ho ao anatin'ny 24ora, ary ny pesta septisemika dia fotoana fohy. Fisorohana : fanadiovana ny manodidina, sy manoana voalavo. Ny aretina pesta dia aretina tsy maintsy ambara...
♦ Hifantoka amin'ny akon'ny Visite Ad Limina, izay notanterahan'ny Evekan'i Madagasikara any Rôma, ny vaovao... ♦ Singa iray ilaina amin'ny fandanjalanjana, ny fangetanana, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy andiany fahafito, momba ny fandanjalanjana tamin'ny alarobia lasa teo... ♦ Mahatratra 5363 ny isan'ny Eveka maneran-tany, araka ny fanisana nataon'ny Agence Fides, tamin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fampielezam-pinoana, ny 23 ôktôbra 2022...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco