Alarobia 4 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40
♦ Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny Andrim-panjakana Mpanao Lalana eto Madagasikara. Samy niaro ny ezaka vitan'ny Fahefana mpanatanteraka na ny Filohan'ny Antanimieram-pirenena na ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, nandritra ny lahateny fanokafana... ♦ 3 mey, Andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, tsy mbola nisy hoy ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny mpanao gazety nofonjaina noho ny fanatanterahana ny asany teto Madagasikara...
Ny fihaonana nisy teo amin'i Jesoa Kristy sy i Zake dia fihaonana niriana, nomanina ary miaro hetaheta lalina. Na efa lehibe àry i Zake dia tsy nahasaka azy izany fa nitady ny fomba rehetra hihaonana amin'i Jesoa Kristy izy ary nivonona ny hibebaka. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alahady 1 mey 2022 — Alahady fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 1-19
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco