Misy fotoana i Jesoa mihitsy no miantso ka milaza amintsika hoe "manaraha ahy", saingy isika indray no be fialan-tsiny ka mametraka elanelana amin'ny endri-javatra maro. Soa fa mbola eo hatrany Jesoa manitsy dia antsika. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
♦ Mitaky ny hanitsiana ny karaman'ny mpiasa tsy ankanavaka ny Firaisan-kinan'ny Sendika eto Madagasikarana ny SSM... ♦ Miantso ny fanjakana hanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ireo sendika ao amin'ny Industrial Global eto Madagasikara... ♦ Tanan-dehibe manerana ny nosy androany, no samy nandray ilay foara ara-toe-karena sy ara-barotry ny Faritra 23 eto Madagasikara...
Hamafisina hatrany fa ny fanomezana dia endriky ny fanehoana fitiavana. Zava-dehibe loatra io manao fanomezana io, hoy ny Soratra Masina : "mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray". Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Mba hahatratrarana ny tanjona ara-pahasalamana dia singa telo no fototra sy antoka tsara ananana : Sakafo ara-pahasalamana, torimaso tsara ary ny fampiasam-batana. ♦ Ny fandrindrana ny vohoka dia olana ho an’ny tokantrano sy ny tanora. Mandrisika ny tanora hiroso amin’ny firaisana ara-nofo ny fandrindram-piterahana ka tokony ho ny mpivady ihany no tena resahana azy.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco