Alarobia 26 mey 2021 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 32-45
♦ Fanambin'ny Foloalindahy Malagasy ny hamerina amin'ny laoniny ny filaminana any Midongy-Atsimo, ao anatin'ny fotoana fohy. Any an-toerana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Minisitry ny Asam-panjakana. Miantso ny malala-tanana hamonjy ireo vahoaka voatafika ny Solombavam-bahoakan'i Midongy-Atsimo... ♦ Mihamidina hatrany ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Miisa 45 ireo mitondra izany tamin'ny fitiliana manerana ny nosy omaly...
Alahady 23 mey 2021 — Ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apôstôly sy i Masina Maria — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 26-27 ; 16, 12-15
Ny voavary dia aretina azo avy amin'ny fipetrahan'ny atodin'ny kankam-pisaka ao anatin'ny tenan'ny olombelona. Misy karazana roa ny kankam-pisaka dia ny avy amin'ny kisoa antsoina hoe "Taenia solium", ary ny avy amin'ny omby "Taenia saginata" ; ka ny kankam-pisaka avy amin'ny kisoa no mahatonga ny voavary...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco