• Namafisin'Andriamatoa Rakotonarivo Thierry, fa nisy ny anarana sy ny laharana karapanondro niverimberina tamin'ny lisi-pifidianana tamin'ny taona 2018, fony izy mbola Filoha Lefitry ny CENI... • Fandikana ny Lalam-panorenana, hoy ny Depiote mpanohitra, ny nambaran'ny Minisitry ny Fitsarana, ny amin'ny hamoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena ny Filoha teo aloha, Andry Rajoelina... • Niaka-dapa teny Anosikely androany, ny mpikambana ao amin'ny Governemanta, namaly ny fanontanian'ny Loholona, nanazava ny tsara ho fantatra momba ny asa tanterahan'ny departemanta iadidiany avy...
Jamoka no anarana niantsoana ny omby taloha ; ireo razamben'ny Malagasy "Vazimba" dia efa nihinana io biby io. ireo Aôstrôneziana tonga teto Madagasikara no tsy nihinana "omby", fa taty aoriana ny Malais dia nihinana tsikelikely?. Ny omby manga dia tsy misy ronono no sady tsy misy trafo. HELA - HENINA dia midika hoe "hena" amin'ny teny Aôstrôneziana. Ny HENA dia ilazana ny omby maty, ialàn'ny tongony sy ny rambony ary ny lohany. Omby vavy mainty na mena fa misy faritra fotsy @ lohany sy ny tongony aman-tanany miampy ny rambony no atao hoe omby volavita...
Nisafidy hiresaka ny momba ny fahasalamana indray ny arofanina anio voalohan’ny volana desambra, andro eran-tany iadiana amin’ny SIDA. Isan’ny mankalaza izany rahateo isika eto Madagasikara isan-taona. Na dia mbola ambany aza ny tahan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA eto Madagasikara, mila mitandrina isika fa tsy re tsaika, ary misoko mangina toa ny ron-gisa ny fihanaky ny tsimok’aretina. Fanetriben’ny fampandrosoana mantsy ny fielezan’ny tsimok’aretina ao amin’ny firenena iray...
Ny didin'Andriamanitra voalaza amin'ny didy faha-valo dia ny lainga araka izay voalaza hoe " Aza miampanga lainga, aza mandainga", izany hoe ny fandraràna ny miampanga lainga, ny mifosa, ny manendrikendrika, mitory olona tsy amin'ny rariny, mijoro ho vavolombelona tsy marina. Isan'ireo didy maro mpanitsakitsaka izy ity ; ny lainga dia heverin'ny maro ho maivana miohatra amin'ny halatra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco