Manoro ireo singa efatra hampijoro ny fiainana ara-politika tena mendrika ny maha-olona ny konsily manao hoe : zava-dehibe mihitsy ny mampivelatra ny hevitra lalina raketin'ny fahamarinana ny hatsara-po, ny fahafoizan-tena hanompo ny soa iombonana, ary ny manamafy ny foto-kevitra ijoroan'ny fiainam-bahoaka sy ny zava-kendrena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
♦ Mitana ny sain'ny maro ilay fahafatesan'olona dimy notifirin'ny mpitandro ny filaminana teny Andohanimandroseza. Mbola ao anatin'ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro ny filaminana amin'izao, ka efa nisy ny olona nohenoina momba izany... ♦ Tsy misy fifandraisany amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena ireo olona dimy namoy ny ainy, noho ny raharaha fifampitifirana teny Andohanimandroseza. Nanao fanambarana momba izany ireo mpiasa akaiky an-dRamatoa Christine Razanamahasoa...
Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika noho ny tsy fahaizana manaja ny safidin'ny hafa. Ny fanajana safidy dia mitondra filaminana sy fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Fihaonana roa samy hafa androany, no nataon'ny Birao Maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, izay mamita iraka any Vatican... ♦ Samy nanao fihantsiana sy fanaratsiana tamin'ny tambazotran-tserasera, ireo mpanohana ny ankamaroan'ireo kandidà, hoy ny Justice et Paix androany, raha nanao tatitra savaranonando tamin'ny fanaraha-maso ny fifidianana... ♦ Tsy tompon'andraikitra tamin'ny fihetsika sy ny fampiasana fiaram-panjakana nataon'ilay tale teo aloha, maty teny Andohanimandroseza omaly, ny INSTAT, araka ny fampahafantarana nataony...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco