Ny zava-misy dia hadinontsika olombelona fa manana ny hasina maha izy azy ireny zava-boahary ireny satria zava-miaina. Porofo : lasa manjakazaka amin'ny zava-boahary isika olombelona dia eo ny fandripahana ny biby, ny ala ary ny fandotoana ny tontolo iainana. Vokany : maro ny karazan-java-maniry manjavona isan-taona, ary mety tsy ho fantantsika intsony. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
♦ Misy Sorona Masina amin'izao alina izao eny amin'ny EKAR Manjakaray, ho fandraisana ny vatana mangatsiakan'i Mgr Antoine Sopelliti... ♦ Sesilany ny fanambaran'ireo mpiaro ny zon'olombelona, ny ray aman-dreny ara-drazana, izay manao antso avo hisian'ny fifampidinihina manoloana ny toe-draharaha pôlitika ankehitriny... ♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny Masoivohon'i Lafrantsa teny Ambatomena androany, ny andiana parlematera, nahitana Solombavam-bahoaka sy Loholona. Taratasy hanairan'izy ireo ny parlemantera frantsay, momba ny raharaham-pirenena eto Madagasikara...
Sahiran-kevitra ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ary velom-panontaniana hoe : inona teo amin'ny fanabeazana taloha no mbola azo tazomina ankehitriny?. Ny fanabeazana teo aloha dia izay tany ambadiky ny fandrosoana ara-teknolojika sy ny fanatontoloana. Ny tanjon'ny fanabeazana dia ny mba hampaleontena ny beazina. Ny fanabeazana dia fampitana fahalalana sy fahendrena ary fahamarinana. Teo aloha dia ny fianarana ihany no nimasoana fa ny fanatanjahantena sy ny mozika na ny zavatra hafa dia tsy navela nataon'ireo mpianatra, ankehitriny anefa ireny no hanefena ny maha olona an'ireo ankizy. Ireo fitsipi-pitondrantena nahasoa ny teo aloha dia tsara tohizana, mila mihezaka ny ray aman-dreny mba hahitsy amin'ny resaka...
1 nôvambra 2023 — Ny Olomasina rehetra — Fankalazana manetriketrika — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12a)
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco