• Namoaka hafatra momba ny fiainam-pirenena ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivoriana fanao isan-taona natrehan'izy ireo... • Niakatra Fampanoavana androany tolakandro teny amin'ny PC 67 ha, ireo nohadiadian'ny BIACO, momba ny raharaha 11 miliara tao amin'ny CNaPS. Isan'ireny ny Ben'ny Tananan'Antananarivo... • Mafampana ny toe-draharaha eo anivon'ny MAMA. Nampiantso fivoriana maika ny sendikan'ireo mpitatitra manerana an'i Madagasikara, momba ny fitantanana eo anivon'ity trano fiantohana ity...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Anatin'ny fizahàna vahaolana maro lafy hanavotana ny firenena ny mpitondra ankehitriny, zava-dehibe ny teny famporisihina, ankoatra izany ny fahaizana mifanampy amin'ny hatao sy ara-kevitra. Aoka atao lohalaharana ny soa ho an'ny maro an'isa, miorina amin'ny fihavanana sy amin'ny fahaiza-mihaino. Mamotika ny fiahara-monina ny tsy fahaiza-mihaino. Midika ho firaisana tsikombakomba ny tsy fihainoana, manome vahana ny fandrombana ny harem-pirenena... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny sakafo no zava-dehibe indrindra ho an'ny fahasalaman'ny zokiolona. Ny torimaso mitana anjara andraikitra betsaka ho an'ny fahasalamana ihany koa. Ny fanaovana fanatanjahantena dia singa fahatelo entina mikajy ny fahasalamana, ho an'ny zokiolona, indrindra izay afahana manetsika ny vanin-taolana. Ny fampiasana saina ihany koa dia ilaina mba hitahirizana ny fitadidiana, manampy ireny ny fanadiovana ny vatana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco