Alahady aorian’ny nahaterahan’ny tompo - fetin'ny fianakaviana masina : fianakaviana mifankatia, lanitra ety an-tany ; Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy; ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny zanaka, mitondra hafaliana sy hasambarana eo amin'ny mpivady. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny mahazanaka antsika. Tokony hotsaroin'ny ray aman-dreny fa tsy izy ireo no tompon'ny zanaka fa adidiny no mampahafantatra ny antson'Andriamanitra ao amin'io zanany io. Manasongadina ny fifandraisan'ny zanaka sy ny ray aman-dreny ny Eglizy ary manentana ny tsirairay haneho fifanajana, fifankatiavana...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco