Alahady 04 mey 2025 - Alahady faha-3 – Taona D fankalazana ny Paka : miaraha miasa amin’i Piera fa izany no Eglizy ; Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona. Tsy mitsahatra miahy antsika olombelona ny Andriamanitsika amin'ny alalan'ny Zanany dia i Jesoa Kristy, porofon'izany izay voalaza ao amin'ny Evanjely fa nofahany hatrany ireo ondriny. Ny teny ambara in-telo dia midika fa marina sy tsy azo lavina ny zavatra iray, ohatra ny nisehoan'i Jesoa in-telo dia midika fa tena velona tokoa izy...
Tamin'ny 30 avrily teo no nifarana ny fanamarihana ny andro afrikanina ho an'ny vaksiny. Misy ny tetiandro napetraky ny Ministera ka : ny zaza voateraka hatramin'ny 14 andro dia hatao vaksiny POLIO ; latsaky ny 11 volana dia atao vaksiny BCG... Misy aretina maro voasorokin'ny vaksiny raha voaaraka tsara ireo tetiandro : tetanosy, kitrotro, lefakozatra... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Novoizina nandritra ny taona maro teto Madagasikara ny zezika kankana. Zezika ahazoana vokatra ara-biolojia eo amin'ny fambolena. Isan'ny mampiasa io zezika io ny fikambanana Lanja Miakatra. Nizara fahalalana sy ny traik'efa momba izany ny mpanorina ny fikambanana Ranaivoarison Basile, Papa Bio.
Misokatra amin'ny rehetra ny Eglizy, nefa kosa entitra. Natao ho an'ny rehetra ny famonjena fa ny maha eo ny Eglizy ho lalana sy famantaram-pamonjena ho an'ny mpino dia tsy azo ihodivirana fa tsy sanatria tsy laharam-pahamehana na tsy manan-danja. Mijoro ho vavolombelona maneho hatrany ny hatsaran'ny Eglizy, ny fahamasinany sy ny fitiavany ny Kristianina... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco