Alahady faha-31 mandavantaona — B : ny didy ho antsika dia hoe: tiava ; raha misy tia ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy. Rehefa tsy henoina ny fananarana, ny toro-hevitra sy ny fanitsiana mba hatsara ny fiainana dia tapaka ny fifandraisana. Tena mamaly ny fitarainan'ny olona mangataka aminy Andriamanitra, aleontsika anefa manary dia amin-javatra hafa. Ny lovam-panahy amin'ny Jody dia nahangona fitsipika 613 avy amin'ny lalàna ao amin'ny Baiboly ka 365 dia fandrarana ary ny 248 dia miresaka ireo azo atao ; fa voafintin'i Jesoa amin'ny hoe fitiavana izy rehetra, izay tia ny namany dia efa azo antoka fa tia Azy Tompo ihany koa...
Tsy manao ambanin-javatra ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala ny fikambanana Union MATANJAKA ao amin'ny Faritr'i DIANA. Manana tetik'asa iarahana amin'ny Réseau SOA tohanan'ny F.F.F-F.A.O izy ireo. Tetik'asa famokarana zana-kazo sy fambolena hazo...
Anisan’ny fomba iray manampy amin’ny firindran’ny fiainam-pianakaviana ny fisafidianan’ny mpivady ny isan’ny zaza ateraka sy ny fotoana hananany izany. Ny fandrindram-piterahana ara-boajanahary dia ankatoavin’ny fiangonana katolika ny fanarahana azy. Tsapa araka ny zava-misy sy ny fanehoan-kevitr’ireo olona fa tsy dia mbola ampy ny fampahafantarana io fomba io, na dia ilaina aza. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.
Ny teny sy ny famantarana ampiasaina amin'ny litorjia dia efa voafaritra manokana mihitsy. Raha toa ka mampiasa ny tenim-pirenena dia tsy maintsy efa nankatovin'ny Foibe any Vatikana ny dikan-teny. Ny Boky ampiasaina amin'ny litorjia dia na Baiboly na ny Boky fanaovana lamesa, ireo boky momba ny Sakramenta na sakramentaly sy ireny fitsofan-drano manokana ireny dia tsy maintsy efa nankatoavin'ny Eglizy. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco