Manana ny anjara toerany ny ray ao an-tokantrano. Ny lahikely raha vao teraka dia efa voalahatra ho raim-pianakaviana avokoa. Natao hitondra sy hiatrika ary hanapa-kevitra izy ; hany ka mahatsinjo lavitra eo amin'ny fiainana sy mahita ny ankapoben-javatra hatrany. Matanjaka sy natao hiharitra zavatra maro ny vatany ka hita fa lalao maherihery setra kokoa no tiany. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
♦ Ho fanamarihana ny faha-140 taona nitoriana ny finoana tao amin'ny EKAR Ankosy, Diôsezin'Ambositra, dia notsofin-drano omaly ny tsangambato lehibe : Lakroan'ny Fanavotana... ♦ Nosokafana tamin'ny sabotsy teo ny fankalazana ny faha-90 taona nahatongavan'ny fikambanan'ny Misionera Montfortains teto Madagasikara. Tany amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina no nanatanterahana izany... ♦ Hisokatra amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny "Centre Préventorium" izay tantanan'ireo Masera Ursulines any Analaroa, izay mandray sy mikarakara ireo zaza manana olana eo amin'ny taolana...
Olon'ny fihavanana sy mpanasoa ny mpiara-belona i Mgr Philippe Ranaivomanana. Tia sy nahay nifandray aman'olona izy. Laharam-pahamehana ho azy ny fampivelarana ny talentan'ny hafa. Toetra nanahafany an'i Jesoa Kristy ilay narahiny ireo, izay nahafoy ny ainy mba hanavotra ny olombelona. Fahatsiarovana an'i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan'Antsirabe, nodimandry ny 06 septambra 2022.
Alahady 11 septambra 2022 — Alahady Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-32
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco