♦ Manatanteraka ny Fivoriambe faharoa fanaony isan-taona, ao amin'ny Episcopat Ambatoroka, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny 5 hatramin'ny 15 nôvambra 2024... ♦ Mirehi-pitiavana ho an'i Jesoa, manokan-tena ho an'ny tanora. Io no manentana ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, ho an'ny Chapitre Général CG29...
Mamelona fianakaviana maro eto Madagasikara ny seha-pihariana jono indrindra fa ny jono an-dranomasina saingy tandindomin-doza vokatry ny fanapotehana ny tontolo iainana indrindra fa ny doro tanety. Mamelona malagasy 1.500.000 isa io sehatra io. Ny 80% amin'ny vokatry ny jono dia avy amin'ny jono nentim-paharazana avokoa na an-dranomsina na an-dranomamy...
Tsikaritra manoloana ny zava-misy ankehitriny fa miaina fanamby maro ny fiaraha-monina malagasy ; misedra olana maro izay hita amin’ny ankapobeny fa efa miantraika mivantana amin’ny isam-batan’olona. Anisan’ny misongadina ao anatin’ireny ny olana mianjady amin’ny tontolo iainana, hita fa mihasimba hatrany ireo voahary ; ny tsy fandriam- pahahelemana mampitaraina ny ankamaroan’ny Malagasy. Etsy ankilany, raha ny eto an-drenivohitra manokana dia mampitaraina ny mponina ny fahatapahan-jiro sy rano lava reny. Ireny rehetra ireny dia misy fiantraikany amin’ny fahasalamana. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.
Ny toerana mety sy tsara amin'ny fivavahana dia ny Eglizy, tranon'Andriamanitra, toerana sahazan'ny fivavahana litorjika ho an'ny ankohonana kristianina eo amin'ny Paroasy. Ny efitrano kely mangina miaraka amin'ny Soratra Masina sy ny sarimasina ihany koa dia azo naovana fivavahana samirery. Ny "sanctuaire" dia toerana fihavaozana amin'ny vavaka araka ny lovam-panahy... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco