Alahady faha-29 mandavantaona - B : Ny fijaliana : Azo ampiasaina ho fanavontana ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Rehefa atolotra hosoro-pifonana ny fijaliana dia tonga ho famonjena, raha entina miverina amin'Andriamanitra ny fijaliana ary matoky azy dia mody hasambarana ireny. Ny fijaliana dia azo ampiasaina ho fanavontana, ary mitondra famonjena ho an'ny hafa sy ny olona maro. Toa an'i Kristy dia afaka mitondra famonjena ho an'ny hafa ihany koa isika na ao anaty fijaliana aza...
Ny tazomoka dia mbola aretina mpahazo ny olona eto Madagasikara ary maro no matiny. Ny tazomoka dia areti-mifindra azo avy amin'ny kaikitry ny moka vavy izay mitondra tsimok'aretina. Fambara'ny tazomoko: misy fanaviana, fiakaran'ny hafanana, mangorangorana, marary an-doho, fa ny fitiliana ihany no tena hafantarana azy. Ny fitiliana dia maimaimpoana, ny fitsaboana dia maharitra 3 andro... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Misokatra ho an'ny taom-pianarana 2024-2025 ny Oniversite Don Bosco ASJA, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga... ♦ Antoky ny fiainana mandrakizay ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Ray masina tamin'ny alarobia 16 ôktôbra 2024... ♦ Manana ny anjara toerany avokoa ny olona tsirairay avy, ao amin'ny fianakaviambe maneran-tany, ka tokony tsy hisy olona iharan'ny fanilihana...
16 oktobra, andro eran-tany ho an'ny sakafo. Mandray anjara goavana amin'izay famokarana sakafo izay ny famokarana tantanam-pianakaviana, dia ireo tantsaha 80% amin'ny mponina eto Madagasikara. Miantoka ny 60% amin'ny sakafo eto Madagasikara ny malagasy tantsaha. Miantsoroka ny 70% mahery amin'ny vokatra aondrana. Miantoka ny 26% amin'ny Famokarana Faobe eto Madagasikara na ny PIB ny sehatr'asan'izy ireo...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco