♦ Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra, hoy i Mompera Innocent Bizimana, Lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco eto Madagasikara, tamin'ny fandraisana ny voady farany nataon'ireo Masera Filles de Marie Auxiliatrice, ny alakamisy 5 aogositra 2021 tao amin'ny EKAR Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely Ivato... ♦ Fahasoavana lehibe no noraisaina tamin'ny Masera Saint Paul de Chartres, hoy i Mgr Alfredo de Nobrega, evekan'i Mananjary, tamin'ny fankalazana ny faha-325 taona niorenan'ny fikambanana, ny 1 aogositra 2021 teo...
Noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny 06 aosgositra 2021 i Sr Rafaraonisoa Blandine, malagasy voalohany voatendry ho lehiben’ny Fikambanana Masera Filles de Marie auxiliatrice eto Madagasikara- Province "Marie Source de vie". Haharitra enin-taona ny fotoam-piasany.
♦ Tovovavy fito no nanonona ny voady voalohany tao amin'ny Fikambanan'ny Masera Fo Madion'i Maria avy ao Diégo-Suarez, tao amin'ny Diôsezin'Antsiranana... ♦ Nanofana ireo ekipa fototra any amin'ny Diôsezin'Ambaja ny Ekipa Nasionaly FIFAKRI... ♦ Noraisin'ny Diosezin'Ambatondrazaka ny 1 aogositra 2021 i Mgr Gabriel Randrianantenaina...
♦ Tontosa ny fitsidihana pastôraly izay notanterahan'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana, tany amin'ny distrika Ambinanindrano. Tokony handray ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay, hoy ny Kardinaly, nanafatrafatra nandritra izao fitsidihana izao... ♦ Hotontosaina ao Analavoka ny fankalazana ny fetin'ny fiantsoan'Andriamanitra, izay hotanterahina ny 6 hatramin'ny 9 aogositra ho avy izao, ho an'ny Diôsezin'Ihosy... ♦ Ny Eglizy, ny fanavaozana ary ny Evanjely, ireo teny telo ireo no fitalahoana hanentanan'ny Ray masina antsika, amin'io vola aogositra ho avy io...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco