Nisoko mangina tsy re tsaika firy, fa zary lasa olana mitoetra efa ho herinandro mahery teo izay, ny rano mampiodina ny seha-pitaterana, raha ny niainana teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Toa noheverin'ny maro fa.... handalo fotsiny toy ny fikoropahana mahazatra rehefa amin'ny vanim-potoanan'ny fety, ny zava-nisy nialoha ny fetim-pirenena tamin’ny 26 Jona teo. Tsy rototra firy rahateo ny olona satria niditra an-tsehatra nanazava tamin’ny mpanao gazety, nandamin-dresaka amin'ny fahampian'ny tahirin-tsolika ny minisitra tomponandraikitra sy ny OMH.
Adidy lehibe napetrak'Andriamanitra amin'ny olombelona dia ny fiarovana sy ny fikolokoloana ary hitahiry ny aina. Ny tompon'andraikitra eo amin'ny firenena iray dia miaro ny aina amin'ny fomba sy fitaovana rehetra, tsy manitsaka ny fiveralan'ny rohy-voahary. Ny adidy faharoa dia ny asa ; adidy iombonana ny mitory ny rariny sy ny marina. Ny saina dia fitaovana entina miaro ny aina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 06 jolay 2025, Alahady faha-14, tsotra, mandavan-taona "D" : Matokia mitory ny Evanjely ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra! Isika Kristianina ankehitriny dia nofidian'i Jesoa sy nirahiny hanohy ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra. Noho ny finoana izay noraisintsika sy ezahantsika ivelomana no mpialoha lalana azy Jesoa sy ho mpanomana ny hatongavany amin'ireo mbola tsy mahalala azy, atomboka eo amin'ny manodidina antsika. Ny fitoriana amin'ny fo manontolo no tian'ny Tompo...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco