Efa nisafidy marina ve isika mba hisian'ny fampandrosoana sy ny fahatsaram-piainana? Ny safidy dia miainga amin'ny isam-batan'olona: izany hoe ny olom-pirenena tsirairay dia manana adidy handray an-tanana ny fampandrosoana ny firenana, eo amin'ny sehatra misy azy avy.
♦ Ho vita ao anatin'ny adiny telo ny famoahana ny 98%-n'ny entana miditra ao amin'ny Fandintseranana, rehefa vita ny tetikasa fanavaozana miisa 31. Ho vita ao anatin'ny minitra vitsy koa ny fitsirihana ny entana, hoy ny Tale jeneralin'ny Fadintseranana, Lainkana Zafivonona... ♦ Fanararaotra lehibe hisintonana ny mpampiasa vola vahiny, ny harena an-kibon'ny tany maro ananan'ny Malagasy ilaina amin'ny famokarana angovon'aratra. Tokony hanararaotra izany ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara, hoy ny BAD...
♦ Ny fanampiana ny hafa ho sambatra no tena fahasambarana eo amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, hoy ny Papa François, tamin’ny Vavaka Angélus… ♦ Meteza isika hanjakan’ny hatsarana entin’ny Tenin’Andrimanitra eo amin’ny fiainantsika, hoy ny Papa François… ♦ Apinga ho an’izay rehetra mitoky aminy ny Tenin’Andriamanitra, hoy i P. Wagner Randriamampandry, Vikera Jeneralin’ny Diôsezin’Antananarivo… ♦ Tontosa ny sabotsy 20 sy alahady 21 janoary ny lanonana fitsofan-drano an’i Mgr Luc Olivier Razafitsimialona, tao amin’ny Diôsezin’Ihosy…
Alahady fahatelo tsotra taona-B : Ny tarehy ratsy no tsy azo ovàna fa ny toetra ratsy azo ovàna ; akaiky ny Fanjakàn'Andriamanitra, minoa ny Evanjely. Alahady fahatelo amin'ny volana Janoary dia natokan'i Papa Ray Masina ho amin'ny alahadin'ny Tenin'Andriamanitra, fotoana natao handiniana ny anjara toeran'ny Soratra Masina eo amin'ny fiainantsika. Ny tsy fahalalana ny Soratra Masina dia tsy fahalalana an'Andriamanitra. Nanohy ny fitoriana ny Evanjely efa nataon'i Joany ihany koa i Jesoa, miantso amin'ny fibebahana. Namela ny maha-izy azy, ireo mpianatr'i Jesoa nantsoiny hanaraka azy ary nihofo araka izay nampianarin'i Tompo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco