♦ Tapitra androany ny fe-potoana nahafahana nametraka fitoriana teny amin'ny HCC. Miantso ireo mpitsara tsy hampiady ny Malagasy, fa hijery ny tombontsoam-pirenena, ny antoko Vonona Hijoro ho an'i Madagasikara... ♦ Tokony hofoanan'ny HCC ny voka-pifidianana Solombavam-bahoka teo, hoy ny RMDM androany. Nambaran'ny Rodoben'ny mpanohitra fa tsy fifidianana no natao fa fangalaram-bato, ka tsy nahomby ny CENI tamin'ny fikarakarana... ♦ Niharan-doza tany Miarinarivo androany ny Tarika Sahondrafinina Zanany. Mpitendry lokanga iray ao amin'ny tarika no maty noho ny ratra nahazo azy...
Ankatoky ny fetin'ny ray isika ; firariantsoa no atao ho azy ireny, mba ho toy ny hazo hamoa voatsara hitondra fiainana. Hirariana ho toy izany ny lehilahy rehetra, raim-pianakaviana. Adidy lehibe no iandraiketan'ny raim-pianakaviana ka mila fankaherezana sy fitiavana izy ireny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nampahafantarin'ny CENI androany, ny vokatra vonjy maika tsy mbola ôfisialy, tamin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny 29 mey 2024. Nahatratra 48% mahery ny taha-pahavitrihan'ny mpifidy... ♦ Mbola mila manao ezaka i Madagasikara amin'ny fampiasana zezika amin'ny voly vary... ♦ Nisaraka ady sahala samy tsy nitoko androany i Mali sy i Madagasikara tatsy Johanesburg Afrika Atsimo, nandritra ny lalao fifanitsanana handraisana anjara amin'ny Mondial 2026...
♦ Nankahery ireo kristianina 70 mianadahy nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana nandritra ny fankalazana ny Fo Masin'i Jesoa, mpiaro ny Katedraly ao Morombe, i Mgr Jean Désiré Razafinirina... ♦ Meteza ho afaka toa an'i Jesoa isika, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly... ♦ Nanentana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny Papa François, mba hanao izay ho afany amin'ny fitondrana ny fanampiana ilain'ny mponina, lasibatry ny ady, ao amin'ny faritra Gaza...
Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco