Ny fifampitokisana dia fototry ny fifankatiavana ary fomba iray afahana miala amin'ny fahasarotapiaro. Ny olona tia dia olona tokony hiaina ny fahamarinana ihany koa. Ho fampandrosoana ny firenena dia mila mifampatoky sy firaisan-tsaina ny vahoaka sy ny mpitondra ; ialàna ny fifanenjehana sy ny fifanaratsiana. Isika Malagasy ihany no afaka hikaroka vahaolana amin'ny raharaham-pirenena fa raha ireo vondrona na fikambanana avy any ivelany dia mihonona amin'ny tombontsoany. Ny fanamarihana ny 29 marsa dia tokony hampitamberina ao am-po sy an-tsaina ny tena fitiavan-tanindrazana marina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Tsikaritra ho mivaona kely ny fanamarihana ny 8 marsa, izay somary nirona tamin'ny fisehoana ivelany fotsiny, haingo sy fety ; ny tena votoatin'ny 8 marsa anefa dia fitakiana ny zo izay tsy sitrahan'ny vehivavy amin'ny fiainana andavanandro (ohatra : zo hiasa sy handray tambin-kasasarana, zo ho arovana...) Ny vehivavy dia hery iray ho an'ny fanavaozana ny firenena, ny vehivavy rahateo no fototry ny fanabeazana noho izany dia manana ny lanjany amin'ny lafin-javatra maro izy ireny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny "kipotsaka" dia karazan-dahabolana entina hisarihana ny olona hiresahana hifantoka amin'ny dinika hatao. Ireo tanora mifampiresaka momba ny fitiavana no matetika tena manao azy ity. Andiam-pehezan-teny tsy mifampiankina fa entina misarika fifantohana fotsiny. Ohatra : Ganagana tsy mba gisa, manontany tsy mahadiso... Lahabolana Betsileo no nipoiran'ity lahabolana ity ary ny "kalita" no mitovitovy amin'ny, izay somary misy ady rima...
--- Marihana isaky ny 15 Mars, isan-taona, ny andro eran-tany hoan’ny zon’ny mpanjifa. Tanjona kendrena amin’izany ny hanandratana ny zo fototry ny mpanjifa, ny fiantohana azy, ny vaovao tokony ho sitrahany ary ny safidiny. "Vokatra azo antoka, mpanjifa feno fahatokiana", izay no lohahevitra voizina amin’ity taona ity. Isan-taona, ankalazaina mitety faritra ary amin’ny fomba manetriketrika, ity andro eran-tany hoan’ny zon’ny mpanjifa ity eto amintsika. Tamin’ny herintaona, ohatra, ny tao Antsirabe renivohitr’i Vakinakaratra, no nandray izany...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco