Alahady faha-21 mandavantaona - B : I Kristy fidina, i Kristy tompoina ; Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao. Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. Ny bokin'i Jôsoe dia mitanisa ny zava-nisy nanamarika ny fidiran'ny vahoaka Israely tao amin'ny tany nampanantenaina. I Jôsoe dia mpitsara izay nampivory ny vahoaka teo amin'ny toerana atao hoe Sikema ; nampanao safidy an'ireo vahoaka i Jôsoe ny amin'izay andriamanitra tiany hotompoina. Tsy nanery ireo vahoaka i Jôsoe fa nanome ohatra izy ary nanambara hoe : Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny Tompo. Fakam-panahy ho antsika ny mahita ny maro mandao ny andraikiny, koa aza matahotra ny handeha irery sy hijoro amin'ny finoana...
♦ Voatendry teny Iavoloha ny hariva teo, ireo mpikambana mandrafitra ny Governemanta vaovaon'ny Praiminisitra Ntsay Christian. Mpikambana 29 no mandrafitra ity Governemanta ity... ♦ Minisitra voasivana tamin'ny maro ireo notendrena ireo, hoy ny Filoham-pirenena androany tamin'ny lahateniny. Nambaran'ny Filoha fa tsy anarana fotsiny ny maha minisitra fa eo no manomboka ny asa... ♦ Nifarana androany ilay fihaonambe faha-11 ho an'ny Fifanarahan'i Nairobi, izay notontosaina teto Madagasikara. Adisisika sy fifanarahana maro no tinapaka nandritra izany...
♦ Sarona tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato androany maraina indray ny sokatra 200 mahery, saika hahondrana an-tsokosoko. Teratany Malagasy roa no voalaza fa tompon'antoka... ♦ Miankina amin'izay Governemanta hijoro no hanohizana ny fitakiana, hoy ny SECES, tamin'ny fanambarana navoakany. Mbola tsy mari-toerana ny Governemanta misy ankehitriny, hoy izy ireo... ♦ Nahatratra 61% mahery ny tahan'ny fahafahana fanadinana bakalôrea, ho an'ny Faritanin'i Mahajanga. Mpianatra avy amin'ny sekoly tsy miankina no nahazo ny salan'isa ambony indrindra...
♦ Tontosa ny sabotsy 17 aogositra 2024, ny Andron'ny Diôsezy sy ny fankalazana ny fetin'i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, teo ihany koa ny fankalazana ireo taon-jobily samihafa, ho an'ireo pretra avy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nifarana omaly ny Lasy Ravina andiany faharoa, ho an'ny Antilin'i Madagasikara ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Mamonjy antsika i Jesoa amin'ny alalan'ny famelomany ny fiainantsika amin'ny azy mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianarana nentin'ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco