♦ Mifantoka amin'ny raharaham-pirenena ny hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, izay navoakan'izy ireo omaly alakamisy 9 nôvambra 2023... ♦ Hotanterahana rahampitso 11 nôvambra amin'ny 11 ora antoandro, ny fanankinana amin'Andriamanitra ny fanahin'i P. Jean Marcellin Ramiandrisoa, Salezianin'i Don Bosco...
Maro amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga no resy lahatra amin'ny fampiasana zezika biôlôjika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin'ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin'izany...
Trangam-piainana efa zary mahazatra ny fiolonolonana, ny tsy fananana fotoana firy ho an'ny vady aman-janaka ankehitriny vokatry ny fandrosoan'ny teknôlôjia sy ny rotorotom-piainana tsotra izao. Mandringa ny fifandraisan'ny mpianakavy ka teraka ny tsy fifankazahoana, maro ny toerana banga eo amin'ny lafin'ny fitaizana ny ankizy. Noho izany no ilazana fa ilaina ny fanatsarana io fifandraisan'ny mpianakavy io amin'ny fiezahana mifandray amin'ny alalaln'ny fifanantonana mivantana amim-pitsikiana sy amin-tambitamby amim-panehoana fitiavana. Na eo amin'ny raiamandreny sy ny zanaka na ny mpivady na ny zanaka samy zanaka, eny ny fiaraha-monina iray manontolo...
Miaro mandrakariva ny vahoaka sy ny ankohonana miantehitra Aminy Andriamanitra ka nahavaky vava ny mpanao Salamo hoe : sambatra ny firenena manana an'ny Tompo ho Andriamaniny, sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany! (Sal 33; 12; sal 44; 15). Fototra niorenan'ny Tantaran'ny vahoaka Hebrio ny nahitàna an'Andriamanitra nanafaka azy noho ny fangejana nataon'ny Ejipsiana ka nanirahany an'i Moizy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco