♦ Tsy maintsy handraisana fepetra ireo sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny, voamarina fa sakana amin'ny tsy fahafenoan'ny antonta-taratasin'ireo kandidà, hoy ny Filohan'ny HCC... ♦ Tanjona amin'ny fihaonamben'ny FFKM, atao eny Mandrimena, ny hahafahan'ny samy Malagasy mifampihaino... ♦ Nivoaka androany ny lisitr'ireo afaka tamin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, farany teo...
Aleo kely ombam-pahatahorana ny Tompo, toy izay ny harem-be omban'ny tsy fahamarinana. Matoa mahantra ny firenena dia mbola betsaka ny kolikoly. Ilaina ny fialan-tsasatra satria izany no hatsiarovana ny asan'Andriamanitra, tamin'ny fahariana izao tontolo izao. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Isan'ny nampiavaka an'i Md Joany Bosco ny fikarakarana ny tanora amin'ny fanabeazana tamin'ny alalan'ny lalao, finoana ary vavaka. Ny finoana katôlika dia manao zava-dehibe ny fanabeazana amin'ny alalan'ny fanatanjahantena, ny fianarana mozika sy ny lalao isan-karazana, tanjona hitaizana ny vatana sy hikolokoloana ny saina. ireo dia fototra hametrahana ny fitsipi-piainana entina miahy ny fanindriana ny fo manoloana ny fahatezerana...
27 aogositra 2023 — Alahady Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Taona A — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-20)
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco