Ny fiainan'ny olona dia mitohy hatrany, avy nandranto fianarana dia mitohy any amin'ny sehatry ny asa na sehatra hafa, indrindra ny sehatry ny fanambadiana. Ny fitiavana dia : fahasamihafana, fifamenoana, fifanekena, fifaliana, tebiteby, fiainana lava be. Ny olona mifankatia dia mampisongadina ny fahasamihafàna ary tonga amin'ny fifamenoana, ary mifanaiky hifampitantana amin'ny fiainana. Ny dingam-piainana isan-karazany dia ampy hanefy ny olona ara-po hatanty ny ratram-po.
7 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 18-27)
♦ Nifantoka tamin'ny fanamafisana ny katesizy ho an'ny fianakaviana sy ny fanatsarana ny fomba fampitana hafatra, ny tombana nataon'ireo pretra mpanolotra fandaharana, nandritra ny fihaonan'izy ireo androany, teto amin'ny Radio Don Bosco Ivato... ♦ Natao hifampitaizana mankany amin'ny tsaratsara kokoa ilay sata hifampifehezan'ny antoko pôlitika, hoy ny solontenan'ny Kômity mpanara-maso ny fampiharana izany. Nampahafantarina androany, izany sata izany...
Ny anarana "tanàna" dia misy hatrany ny tantara mifamatotra aminy. Ny famoronana anarana "toerana na tanàna" dia mifototra amin'ny finoana, izany hoe faniriana soa sy fanambinana ka ao anatin'izany ny fahasalamana, harena ary ny fitiavana. Misy fomba maromaro nanomezana anarana toerana iray ; milaza "isa", miresaka "tany, loko, vato, rivotra, rano" ; milaza "foto-drafitr'asa" ; manambara fampitandremana ; mampisongadina zava-maniry. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco