Tena ilaina ny filaminana satria miteraka filaminan-tsaina, filaminam-po, filaminam-panahy ; mba hitondra fiadanana sy fifaliana eo amin'ny tsirairay, eo amin'ny ankohonana, eo amin'ny fiaraha-monina, ary rehefa itarina dia hatrany amin'ny firenena...
Alarobia 1 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)
♦ Nanolotra fiara efatra ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamana, ampiasaina any amin'ny faritra atsimon'ny nosy, ny PNUD... ♦ Nankahery ireo mponina tao Nosy Varika, niharan'ny vokadrasty navelan'ny rivodoza Freddy, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, androany... ♦ Mbola ambany ny tahan'ny vehivavy mandray anjara amin'ny raharaham-panjakana eto Madagasikara. Nikarakara atrikasa nanasana ireo mpandinika ara-piaraha-monina, nijerena ireo sehatra tsy afahana manome sehatra ny vehivavy, ny Filankevi-pirenen'ny Vehivavy eto Madagasikara...
Ny hoe "tôkatôka" dia fitanisanisana na fanonontononana na filazalazan-javatra, izay hiraina na tononina fotsiny. Iray amin'ireo karazan-dahabolana malagasy, zavakanto vita amin'ny teny. Ny Betsimisaraka no tompony ary mpiangaly ny tôkatôka. Tsy mivoana amin'ny zavatra hita sy iainana eo amin'ny andavan'andron'ny fiaraha-monina ny venti-kevitra tanisanisaina sy tonontononin'y mpitôkatôka : mitsikera endrika aman-toetra (olona, biby, zavatra). Fanaon'ny Betsimisaraka amin'ny fotoam-pilanonana ny tôkatôka ary mifanidran-dalana aminy eo mandrakariva ny ôsiky, izay hira nentin-drazana Betsimisaraka ; miaro dihy, tehaka, fivelezana faray.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco