Ny fiaraha-monina dia fitambaran'ny olombelona mifandray ao anatin'ny rafitra voarindra, misy fitsipika fototra mampiray. Ny fiaraha-monina dia maharitra eo amin'ny fotoana, lova sy handraisana talenta. Ilaina fahafoizan-tena ny fiarovana ny fiaraha-monina mba hanana ny soa iombonana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Lavin'ireo tompon'orinasa mpikojakoja lalana, manan-trosa amin'ny fanjakna, ny filazana azy ireo ho tsy nahavita ara-dalana ny asa tamin'ny taona 2019. Nilaza ny hanoratra amin'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena izy ireo, manoloana ny tsy nandoavan'ny fanjakana ny volany... ♦ Mety ho efa ato ho ato ny fiakaran'ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Noferana ho 25 litatra ny fahafahana mividy solika amin'ny bidon, eny amin'ny toby fitsinjarana solika... ♦ Voaheloka higadra an-tranomaizina enim-bolana i Ninie Donia, noho ilay raharaha fiarovany ny vahoaka noho ny ady tany, tany Nosy-Be...
Alarobia 29 jona 2022 — Masindahy Piera sy Paoly — Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19
Ny mikasika ny fahefam-pitondram-panjakàna dia tokony hanome lanja ny zo fototra mahaolona ny olombelona, manasongadina ny fahamarinana. Ny fahefam-pitondrana ihany koa dia tokony hiantoka ny zo ara-politika izay omena araka ny takian'ny soa iombonana : ho an'ny olombelona sy ny firenena. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco