♦ Nanokafana fanadihadiana manokana ilay firehetana nitranga tany amin'ny toby famokarana herinaratra any Andekaleka. Mampiahiahy ny zava-misy, ka olona efatra no efa nohenoina, hoy ny Minisitry ny Fitsarana androany... ♦ Nihaona tamin'ny Masoivoho frantsay eto amintsika androany ny Vondrona Panorama. Noresahana betsaka ny toe-draharaham-pirenena, indrindra ny momba ny fifidianana... ♦ Nitarina amina faritra dimy hafa, ankoatra an'Analamanga, ny fihemoran'ny fidiran'ny mpianatra any an-tsekoly. Namoaka naoty mifandraika amin'izany ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany...
Ny olom-banona dia izay manisy hasina ny fifandraisana eo amin'ny maha samy olombelona, ary ao anatin'izany ny fanajana ny soatoavina. Ny maha olom-pirenena kosa dia ny fanatanterahana ny zo omen'ny lalana rehefa feno valo ambin'ny folo taona...
Alarobia 5 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo no anirahan’Andriamanitra Ahy, sy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 45-52
♦ Mihemotra amin'ny alatsinainy 17 janoary 2022 ny fidiran'ny mpianatra, ho an'ny eto amin'ny Faritra Analamanga. Mihatra amin'ny sekoly miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana izany teny midina navoakan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena izany... ♦ Miakatra ny renirano mamakivaky ny lemak'Antananarivo, anatin'ny loko mavo na ny filazana loza manambana ireo Kaominina andalovan'ny reniranon'i Sisaony...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco