Alahady 05 jolay 2026. Alahady faha-14 mandavantaona — A — I Jesoa : Be fitiavana sy malemy fanahy ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Ny harerahana dia mpahazo ny olombelona : ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina, izay vokatry ny ahiahy isan'andro, ireo olana maro samihafa. Maro ireo mitsiky ety ivelany fa manana olana lalina anaty, anefa mbola eo Jesoa, efa nilaza fa hanamaivana ireo izay mahavesatr'entana. Tsy mamaly herisetra Andriamanitra fa ny manala ny fototry ny herisetra no ataony. Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po i Jesoa...
Tsy mbola miverina amin’ny teo aloha ny vidin’ny vary akotry akan’ny mpanagom-bokatra azy eny anivon’ny tantsaha ka anaovan’izy ireo antso amin’ny fanjakàna ny hijerena vahaolana amin’ny fahasairan’izy ireo. Tsy mbola niakatra araka ny niheverena aza mantsy ny vidim-bary na teo aza ny fampiharana fepetra isan-karazany. Isan’izany ny fividianan’ny orinasam-panjakana SPM ny tahirim-bary tany amin’ny tantsaha saingy tsy afa-po amin’ny vidim-bary ireo tantsaha mpamokatra...
Matetika eo amin'ny fiaraha-monina dia iniana tsy hita ireo fahasamihafana ara-tsaina eo amin'ny olona. Raha mbola kely ny zaza ka tsikaritra ireny fahasamihafana ireny dia azo atao tsara ny manampy azy ka hahatonga azy ho afaka hiara-miaina amin'ny olon-drehetra. Matetika ireny zaza hafakely ireny no lasa henatra ho an'ny fianakaviana na ahiliky ny fiaraha-monina. Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.
26 jona 1960 - 26 jona 2026 : 66 taona namerenana ny fahaleovantena ho an'i Madagasikara ; na misy aza ny tsindry avy any ivelany, hita taratra ny fijoroana sy ny fahasaratom-piaron'ny Malagasy mikasika ny fiandrianam-pireneny. Songadina tsara sy mamelona indray ny fanantenana ny fiaraha-mientana sy ny firaisankina tamin'ny fankalazana ny fetim-pirenena ; ny fitafiana no hita ety ivelany fa na eo aza izany, ny fo miray dia efa vinaky tamin'ny endrika mirana sy fomba fitafy isam-paritra, Malagasy tokoa, tia ny fireneny, tia ny kolontsainy... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco