• Mitaky ny hamotsorana ny Kolonely Fanampera, ireo manohitra ny tetikasa Base Toliara. Nametraka fepetra mialoha amin'ny fihaonana amin'ny solontenam-panjakana tonga any Toliara amin'izao, izy ireo... • Nisy tamin'ireo mpanamboatra finday amoron-dalana eny Analakely no nosamborina, anatin'ny fandaminana eny an-toerana. Fiaran'izy ireo maromaro koa no nahiditra valan-tsazy... • Miverina indray ny tsy fandriam-pahalemana amin'ny Lalam-pirenena. Fiara mpitatitra iray no voasakana tamin'ny Lalam-pirenena faha-4, ka nitarika fahasimbana goavana...
27 marsa — Teraka tao Tel-Sheba, akaikin'i Édesse izany hoe i Urfa ao Turquie amin'izao fotoana izao. Nohamasinina ho diakra tamin'ny taona 321. Marihana fa ity tanana niainan'i Habib ity dia noheverin'ireo silamo Turcs fa i Uhr teo aloha izany hoe ny tananan'i Abrahama Patriarka.
• Nahazo “Recteur Majeur” vaovao ny Fikambanana Salezianina maneran-tany. I Mompera Fabio Attard no nanankinana izany andraikitra izany nandritra ny fifidianana natao tao anatin'ny “Chapitre Général faha-29”... • Terena hampiasa kaontera aloa mialoha ny Kaominina Imerintsiatosika. Nisy ny iraky ny JIRAMA tsy mitondra taratasy fampahafantarana mirakitra izany tonga teny an-toerana, hoy ny Ben'ny Tanana Parisoa Andriambololonarivo... • Nivory androany ny Fikambanan'ny Zanak'i Sakalava sy ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera. Tapaka nandritra izany fa halamina rahampitso ny toerana hametrahana ny kabeson'ny Ampanjaka Toera...
I Mompera Fabio Attard no voafidy ho dimbin’i Don Bosco faha-11, amin’ny fitantanana ny Fikambanana Salezianina maneran-tany. Izy no heverin’ireo mpifidy miisa 220 tao amin’ny “Chapitre Général” fa manana ny fihiziana salezianina araka ny vanim-potoana ankehitriny. Fikambanana izay misy relijiozy miisa 13.750, miasa amin’ny provinsy 92, amin’ny kaontinanta dimy.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco