♦ Voasambotra androany teny Mahamasina, ny filoha mpitarika ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy. Tsy fantatra mazava ny antony, fa mety misy ifandraisany amin'ny hetsika kasaina hotanterahana amin'ny sabotsy izao... ♦ Nomarihana androany 22 febroary, izay daty nahaterahan'ny mpanorina azy, ny Andro maneran-tany ho an'ny Skotisma... ♦ Niampy telo indray ireo faritra miroso mankany amin'ny tany hay na voakasiky ny fiangazanana, eto Madagasikara. Milaza ho tsy mipetra-potsiny ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana, manoloana izany...
♦ Tontosa ny 15 hatramin'ny 17 febroary 2024, ny Symposium mifantoka amin'ny hoe ny vavaka manokana sy ny vavaka iombonana, tao amin'ny Grand Séminaire tao Moramanga... ♦ Nosokafana ny alahady 18 febroary 2024, ny fankalazana ny faha-150 taonan'ny EKAR Masindahy Louis de Gonzague, Ankadisoa. Nifanentana ho amin'ny fiatrehana izany avokoa ny kristianina rehetra tao an-toerana... ♦ Nandritra ny vavaka Angélus, ny alahady voalohany amin'ny Karemy, no nampitandreman'ny Papa François ny mpino rehetra, ny amin'ireo bibidian'ny fanahy...
Alahady voalohany amin'ny karemy : te hiavana amintsika Andriamanitra ; tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny teny rehetra haloakan'ny vavan'Andriamanitra. Miditra amin'ny vanim-potoana karemy izay maharitra 40 andro isika ary ny alarobian'ny lavenona no nanombohantsika izany. Mila manao dingana isika ho amin'ny fihavanana amin'Andriamanitra : manao ezaka hiala amin'ny fahazaran-dratsy, manao asa fivalozana sy asa soa, hifady anina sy hifehy tena. Andriamanitra dia manao dingana voalohany mba hiavanany amintsika olombelona : izy Andriamanitra dia nanao fanekem-pihavanana tamin'ny olombelona sy amin'ny taranaka mandimby, tahaka ny tantaran'ny safo-drano.
♦ Hisy fiomam-panahy iombonana ho an'ny Kôngresy Eokaristika nasiônaly amin'ny Radio Katôlika manerana an'i Madagasikara... ♦ Ny faharetana amin'ny finoana no hery entina miady amin'ny hakamoana sy ny tsy firaharahiana ny fianana anaty, hoy ny Papa François... ♦ Fiarovana ny tontolo iainana no hetsika ataon'ny tanora ao Ghanà ho fiainana ny karemy...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco