♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Eveka, an'i Mgr Luc Oliver Razfitsimialona, hitantana indray manomboka izao ny Diôsezin'i Tolagnaro... ♦ Nentin'ny Papa nandritra ny fampianarany tao aorian'ny vavaka Angelus, ny fanentanana ny rehetra mba hianatra hiaina an-kalalahana, afaka amin'ireo gadra vy izay mamatotra ny tsirairay...
♦ Efa any amin'ny Diôsezin'i Tolagnaro ankehitriny, ny Nonce Apostolique sy ireo Eveka avy amin'ny Diôsezy samihafa avy eto Madagasikara... ♦ Manolotra ny teny fankasitrahana ho antsika mianakavy nanotrona sy nanohana azy ireo, nandritra ny fankalazana ny fetin'ny Fianakaviana Masina, ny fianakaviamben'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Nofaranana tamin'ny 20 sy 21 janoary 2024 ny fankalazana ny faha-40 taonan'ny EKAR Trinite Masina Anosimasina, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga...
♦ Nampahafantarina androany ny fiomanan'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara amin'ny fankalazana ny Taon-jobily 2025, araka ny toromariky ny Papa François... ♦ Manohy ny asany vonjy maika, mandrapaha voafidy izay handimby azy, ireo Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina monisipaly, izay tapitra fe-potoam-piasana ankehitriny. Namoaka izany fanapahana izany ny HCC, androany... ♦ Namoizana ain'olona ny firotsahanan'ny orana tsy an-kiato any amin'ny Faritra Diana. Tombanana mbola hitohy hatramin'ny rahampitso ny rotsak'orana any amin'ny tapany avaratry ny nosy, hoy ny Météo...
Efa nisafidy marina ve isika mba hisian'ny fampandrosoana sy ny fahatsaram-piainana? Ny safidy dia miainga amin'ny isam-batan'olona: izany hoe ny olom-pirenena tsirairay dia manana adidy handray an-tanana ny fampandrosoana ny firenana, eo amin'ny sehatra misy azy avy.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco