♦ Niakatra fampanoavana tampoka teny Anosy androany, Andriamatoa Mbola Rajaonah. Naverina eny am-ponja izy, miandry ny fitsarana azy amin'ny 20 febroary 2024, raha tokony efa hivoaka ny fonja mialoha io daty io... ♦ Efa ahitana trangan'ilay aretimaso “conjonctivite”, ny sekoly sasany ao an-drenivohitra amin'izao. Miverina amin'ny fampiharana ny fepetra fisorohana ara-pahasalamana, ireo sekoly tsy miankina, nanomboka androany... ♦ Miato ny fampianarana any amin'ny DREN Diana, noho ny faharatsian'ny toetry ny andro. Mamely mafy any an-toerana ny orambe sy ny tafiotra, efa ho roa andro izao...
Rehefa tsara ny safidy ataonao, tsy maintsy tsara ny fiainanao. Fahasoavana lehibe sy fahatsaram-piainana ny vokatry ny safidy tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nanoratra taratasy ho an'ny Evekan'ny Nosy Maurice sy La Réunion ny Evekan'i Morondava, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina. Taratasy mankahery azy ireo sy maneho fiombonana noho ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Belal... ♦ Mahaleo tena amin'ny fandraisana andraikitra sy fanapahan-kevitra manomboka izao ny Zandarimariam-pirenena. Hiova ny paikady hiatrehana ny tsy fandriam-pahalemana, hoy ny Minisitra delege, ny Jeneraly Rakotondrazaka Andry...
♦ Heloka manimba sy manohitra ny maha-olona ny ady, hoy ny Papa François, teo am-pamaranana ny vavaka Angélus… ♦ Any Etazonia, hotanterahina ny 18 sy ny 19 janoary ho avy izao ny alim-bavaka nasionaly ho an’ny fiarovana ny aina… ♦ Mila mpitantana ny fiantsoan’Andriamanitra, hoy ny Arsevekan’Antananarivo tamin’ny fankalazana ny fetin’ny Seminera Zandriny teny Ambohipo… ♦ Ny tenin’Andriamanitra sy ny fampianaram-pinoana no torina hoy i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Evekan’ny Diôsezin’Antsirabe, tamin’ireo Diakra 25 vao nohamasinina…
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco