9 novambra, alahady faha-32 tsotra mandavantaona - Fankalazana ny nitokanana ny Bazilika ao Latran - Fankalazana ny tenin’Andriamanitra : Izay rehetra mangataka ao an-tranoko dia mahazo, hoy ny Tompo; izay mitady dia mahita, ary izay mandondòna dia hovohaina. Ny Bazilika ao Latran dia Katedralin'ny Papa amin'ny maha Evekan'i Rôme azy, azo ambara ho tena trano lohan'ny Fiangonana eran-tany. Ankehitriny dia Latran ny Pape no manao ny Lamesan'ny Alakamisy-Masina hariva, ary manavao ny nataon'i Kristy nanasa ny tongotry ny Apôstôly ; tamin'ny 9 novambra 324 no nanokanana io Bazilika io. Latran : fiombonana, misterin'ny Eglizy tempoly, kristy ivon'ny fiainana...
Fanapoizinana raha natao fanahiniana, fa fahapoizinana raha tranga tsy nahiana. Ambara fa poizina ny hita amin'ny sakafo rehefa miteraka fikorontanana eo amin'ny fahasalamana sy ny vatan'ny olona iray ny singa voatelina. Poizina : akora simika, methanol, zava-maniry misy poizina, fisian'ny otrik'aretina anaty sakafo (E. coli, Listeria, Salmonella et Shigella) ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Amin’izao fotoana iainantsika izao dia lasa sehatra lehibe ifandraisana sy ifampizaràna ny tambazotra sosialy, nefa indrisy, lasa toerana isehoan’ny herisetra, indrindra ho an’ny ankizivavy sy tovovay. Maro amin’ireo lasibatra no tsy mahalala ny zon’izy ireo na ny lalàna miaro azy amin’ny herisetra toy izany. Maro ny endrika sy fiantraikan'ny herisetra an-habaka, misy ny lalàna miaro amin'izany eto Madagasikara, ary ny fomba hiarovana ny tena sy ny hafa amin'ny fampiasana tambazotra sosialy am-pahamalinana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny Litorjia eto an-tany dia fandraisana anjara amin'ny fiderana any an-danitra, miaraka amin'ny Anjely sy ny Olomasina. Na mbola miaina amin'izao tontolo izao aza isika olombelona, dia efa mandray anjara amin'ny Litorjia any an-danitra amin'ny alalan'ny fankalazàna ety an-tany. Ny Litorjia dia vavahady manokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco