06 marsa — I Masimbavy Colette dia teraka tao Corbie tamin'ny taona 1381. Nodimandry tao Gand Belgique izy ny 06 marsa 1447. Io vanim-potoana niainan'i Colette io dia nomarihin'ny fisarahana teo amin'ny Fiangonana, izany hoe ny taona 1387 ka hatramin'ny taona 1417. Io ilay antsoina hoe "Grand Schisme". Nisy mantsy ny fifandonan'ireo papa telo tamin'izany: ny iray tao Roma, ny faharoa tany Avignon ary fahatelo tany Pise.
Ny fampandrosoana dia mivelatra amin'ny sehatra maro, miainga amin'ny tsirairay, ny faritra, ny firenena. Ireo fototry ny fampandrosoana afahana mivoatra : ara-batana (hery sy fahasalamana), ara-tsaina, ara-po. Manana zo hiato kely hanao jeri-todika, handinika ny tokony hatao ho fampandrosoana ny tena sy ny ankohonana. Ny vehivavy dia afaka mitarika amin'ny fampandrosoana sy efa zatra mindrindra asa... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Nankalazaina androany teny amin'ny UCM Ambatoroka ny Andro natokana ho an'ny Ivon-toerana sy Sekoly Fampianarana Ambony Katolika, na ny Journée ESS CATHO, andiany faha-4... • Manodidina ny 40%-n'ny ankizy eo anelanelan'ny 15 hatramin'ny 19 taona nanaovana fanadihadiana, izay mampiasa ny Internet, no efa niharan'ny fanararaotana mamoafady amin'ny alalan'ity teknolojia ity... • Niavaka ny nanamarihan'i Madagasikara ny andron'ny omaly 3 marsa, izay Andro Afrikana ho an'ny Tontolo Iainana...
• Hotanterahana ny 28 hatramin'ny 31 aogositra 2025, any amin'ny Diosezin'i Morondava ny Androm-pirenena ho an'ny Lehibe andiany faha-2... • Ankalazaina amin'ity taona 2025 ity ny faha-800 taona namoronan'i Masindahy François ilay atao hoe "Antsan'ny zava-boahary"... • "Tsapako ato am-poko ilay fitahiana izay miafina ao anatin'ny faharefoana". Io no votoatin'ny hafatra sady fampianarana nifampizaranan'ny Ray masina omaly, toy ny fanaony isan'alahady amin'ny vavaka Angelus, na dia any amin'ny hopitaly aza izy...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco