17 aprily — Ny Anicet resahana etoana dia ilay papa faha-11. Malaza ao Quebec any Canada ity olomasina ity. Papa tamin'ny taona 155 ka hatramin'ny taona 166 i Masindahy Anicet. Syrien no fiaviany fa maty martiry tamin'ny fitondran'ny amperora Marc Aurèle izy.
Ny fivoaram-piainan'ny tsirairay dia miankina amin'ny fahavononany handray ny fanabeazana homena azy. Ny hoe "mankatoa" dia ahitana foto-teny hoe "toa" manaiky amim-pitiavana. Tsapa amin'ny fihetsika sy ny teny ny fankatoavana ataon'ny zanaka ny ray aman-dreny. Ny antony mahatonga ny ankizy tsy hakantoa : ny fampitoviana ny fomba fiaina tamin'ny taona taloha sy ny ankehitriny... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Mampihena hatrany amin'ny 5 isan-jaton'ny PIB an'i Madagasikara, ny vola lany amin'ny voka-dratsin'ny loza voajanahary eto Madagasikara... • Hangatahana fiaraha-miasa amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Fokontany Behoririka, mba hisorohana ny loza niteraka faharatrana tahaka ny niseho androany teny an-toerana... • Hivoaka amin'ny 29 avrily izao ny didim-pitsarana ho an'ny Filohan'ny Sendika SIS FM...
Eo amin'ny tantaram-pamonjena dia Izy Andriamanitra mihitsy no manao dingana voalohany mba hanatonana antsika olombelona ; araka izay voalaza hoe : Fa izay matahotra azy sy manao ny marina dia nankasitrahany, na aiza na aiza firenena misy azy (Asa 10, 35). Any amin'ny Testamenta Taloha dia nifidy ny vahoaka Israely Andriamanitra mba ho vahoakany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco