Ny safidy tsara dia ahitana fahafahampo ho anao, ary vokatra tsara ho an'ny manodidina. Na eo amin'ny ankohonana misy anao izany, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eto amin'ny firenena ; olom-pirenena tompon'adidy ianao sy izaho koa aoka hanana heri-po hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nahiditra am-ponja vonjimaika ao Mananjary ny filoha mpitarika ny BAM, Rasambozafy Cyril. Takian'ny fikambanana misy azy sy ny fikambanan'ny loholona sy ny CST teo aloha, ny famoahana azy sy ny Solombavam-bahoaka ao Vangaindrano, Mahavitara Sylvestre... ♦ Ho hita taratra ny fanovana eny amin'ny Antenimeram-pirenena eny Tsimbazaza. Lokalokan'ny kestora voalohany, Rivotiana Jean Bosco, raha nifamindra fitantanana tamin'ny kestora voalohany teo aloha izy... ♦ Bakalôrea 2024. Tsy misy hataohorana ny tambikarama. Nahitana fiakarana tamin'ity taona ity, ny vola hiatrehana ny fanadinana...
♦ Tafapetraka eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano azy, i Mgr Clément Herizo Rakotohasimbola... ♦ Torio ao anaty fiombonana sy fahononan-tena amin'ny fiainana ny Evanjely, io no fampianarana nentin'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly... ♦ Notendren'ny Papa François hisolo tena azy mandritra ireo lanonam-pamaranana ny fivahinianana masina ataon'ny mpino katôlika Okreniana manaraka ny fomba latina, amin'ny 21 jolay 2024, ny Sekreteram-panjakana, ny Kardinaly Pietro Parolin...
Alahady faha-15 mandavantaona : Nofidin'Andriamanitra isika mba ho irahiny ; Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Misy roa ny tanjona amin'ny fiantsoan'Andriamanitra, izay mifampikina : hitoetra eo aminy, hitory sy handroaka demony. Raha tsy malala an'i Jesoa sy tsy manana fiombonana aminy dia tsy ho afaka ny hampalala Azy sy ho lasa iraka ; Mifampitohy ny fiantsoana sy ny fanirahana ary tsy mety ho iraka raha tsy babon'ny fitiavan'i Jesoa...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco