Katsaho ny maha izay anao dia ny mampiavaka anao amin'ny hafa izany. (13-05-2020)
Tsy afaka haharitra ny hiakan’ny tany sy ny antsoantson'ny mahantra, hoy ny Papa François, manentana antsika hanamarika ny herinandron’ny « Laudato Si’ » ny 16 ka hatramin’ny 24 mai 2020. Amin’io fotoana miavaka io, hiombom-po ny katolika eran’izao tontolo izao, handalina, hivavaka, miaraka hanomana ny hoavy tsara kokoa.
Ho feno zato taona amin’ny 18 Mai izao ny nahaterahan’i Karol WOJTYLA izay lasa Papa Joany Paoly faharoa ary efa olomasina ankehitriny.
(07-05-2020) Fanabeazana ho olom-pirenena vanona ho raiamandreny sy zanaka tompon'andraikitra.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco